mails reçus : le Président accuse la France

Publié le par Ny Marina

ANTSO ANTARIBY NATAON'NY FILOHA TAO @ RADIO FAHAZAVANA

Envoyé par: Bandin'Iarivo (Adresse IP journalisée)

Date: mar 26 mai 2009 07:03:08

 

Androany 26 mai 2009 vaovao maraina Radio Fahazavana, antso antariby nataon'ny filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA no namakiany batsilana ho re-tany ho re-danitra fa ny fitondrana tarihan'ny jiolahy andry rajoelina dia tohanan'ny frantsay sy ny forongony. Naverimberiny io resaka frantsay io (henoy tsara raha mandefa extrait vaovao fahazavana i Bemasobe avy eo.

Sambany h@ ny nahalalako an'ny Filoha no nanonona ny anaran'io jiolahy nanongam-panjakana io izy ary sahy niteny tsy ampiambahambana fa ny frantsay no ao ambadik'izao zavatra mamoehatra izao. Nohamafisiny fa ny hamaphantra an'ny Madagasikara no tena tetiky ny frantsay ary ny hanjanaka azy sy hanavao indray ilay accord de cooperation angamba no tiany ambara @ io raha tsy diso aho, izay ho tapitra @ 2010. Ny resaka hampisy ady an-trano no tetika mafy @ izany (hazavaiko misimisy kokoa io rehefa avy eo)

Manome toky ny vahoaka malagasy izy fa :
- efa nahazo ny fanohanana @ ireo firenena lehibe namana hafa hiatrehana sy HANDRODANANA izany
- miantso antsika rehetra izy samy hijoro h@ ny farana @ izany fandrodanana izany

MISIKINA ARY ISIKA RY ZALAHY RY ZAVAVY MITOMBAN-DAHY FA ADY LEHIBE NO HATREHANA, TSY MIPETRAPOTSINY ARY EFA TSARA OMANA NY FAHAVALO KA MILA MANENJIKA IZANY ISIKA MBA HO LASA ALOHANY

NY MINO TSY MAINTSY MANDRESY


Coup d’Etat : Ravalomanana Marc dénonce « les Français »

 

26-05-2009| Écrit par RC

 

Tôt ce matin de mardi, le président Marc Ravalomanana s’est adressé aux Malgaches. Avec le ton qu’on lui connaît, il a cette fois- ci dénoncé directement et sans fioritures « les Français » comme étant à l’origine du coup d’Etat dont il a été victime cette année. Enfonçant le clou, il a aussi révélé que « les Français font du lobbying actuellement auprès des pays francophones du monde pour que ceux-ci reconnaissent le régime putschiste de Andry Rajoelina. » Le chef de l’Etat, aujourd’hui contraint à l’exil en Afrique du Sud, dévoile la face cachée de cette situation en des termes sans équivoques : « les Français ne veulent pas le développement de notre pays, ils veulent toujours nous coloniser, ils veulent accaparer notre indépendance, notre richesse, c’est pourquoi, ils ont aidé ces voyous et ces putschistes à prendre le pouvoir. »

Accusation

C’est la première fois que Marc Ravalomanana rompt ainsi la réserve sur ce sujet épineux même si depuis le début, tout le monde sait que la France n’est pas étrangère à la crise et puis finalement au coup d’Etat dans la grande île. Mais la révélation la semaine dernière de l’implication au plus haut niveau de l’Etat français dans le voyage de Tgv en Libye, par le bi- mensuel la Lettre de l’océan Indien  a fait éclater le verrou de la bienséance diplomatique d’usage. Ces informations n’ont jamais été démenties et puis « après recoupement auprès du leader libyen, elles se sont avérées exactes », disent les proches du président de la République. Du coup, la crise va monter un nouveau palier puisque les masques sont tombés. Comment la France officielle va-t-elle réagir après cette accusation grave de Marc RAvalomanana ? Comment vont réagir les Malgaches puisque c’est aussi la première fois qu’un chef d’Etat accuse du doigt la France pour être le fauteur de trouble dans le pays ? Marc Ravalomanana promet de grandes révélations à ses partisans ce mardi à Ankorondrano.  



Hafatry ny Filoha Marc ravalomanana
hoan’ny vahoaka malagasy
26 MEY 2009


Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay maro an’isa, ary mitolona tsy mitsahatra, tsy manaiky lembenana, miarahaba anareo aho.

ankehitriny i Madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay.

Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevo ny Vahoaka malagasy. Ny tetika fitaka vaovao hitan’ny frantsay ialana amin’io savorovoro naterany io, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony tamin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto Madagasikara.

Ny mpitondra an’i madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra - tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.

Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.

Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I madagasikara sy hampivaotra ny farim-piainan’ny Vahoaka malagasy.

Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra sy mijaly ny Vahoaka Malagasy.

Hahatongavany amin’izany dia notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra. Ao koa ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ireo fikambanana, toy ny “Assurances”, izay fananan’ny firenena Malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampiasana herisetra rehetra izay ataony.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, mijoro, mitaky ny ara-dalàna,

Hanao izay tratry ny heriko aho aho, ary hampiasa fahaizako sy ny fahefako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baro tarihin’I Andry Rajoelina io, ary hamerina ny ara-dalàna sy ny hisian’ny fanarahana ny Lalampanorenana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.

Koa ambarao amin’ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana izao resaka lazaiko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.

Aza matahotra fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra!

Commenter cet article