Miaramila !

Publié le par Ny Marina

sur mydago.com

Lyllison de Rolland sy Charles Andrianasoavina

Nanao valan-dresaka hoan’ ny mpanao gazety ny manamboninahitra tanora tarihin’i Lyllison de Rolland sy Charles Andrianasoavina ny Talata 17 Janoary teo izay nilaza fa tsy iadian-kevitra fa an’ny Ankolafy Rajoelina ny ministeran’ny fiandrianam-pirenena : raharaham-bahiny, fiarovam-pirenena filaminana anatiny, fitsarana, fitantanam-bola sy ny teti-bola izay mbola narahin-dry zareo hoe: « Fandikan-dalàna ny fizirizirian’ny ankolafy sasany tsy hanaraka io fa mety hiteraka korontana ». « Handray fepetra Izahay » raha tsy voahaja izany hoy izy ireo.

Jeneraly Désiré Rakotoarijaona

Tsy niandry ela ny fanitsiana sady valin-kafatra hoan’ireo manamboninahitr’Ambohitsirohitra nataon’ny Jeneraly Désiré Rakotoarijaona ka nilaza fa ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka ihany no manana zo tsy azo ifampizarana (droit régalien) fa tsy araka ny filazan’ireo manamboninahitra sady mpanolotsain’i Andry Rajoelina ireo.

Roger Luc

Nandrehitra ny afo eo amin’ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy miaramila ny fanambaran’Komandà Charles sy Colonely Lyllison. Nanao valin-kafatra avy hatrany ny Komandà Roger Luc sy ny capiteny Mbohoazy Lahinilainy « fanimbazimbàna ny soa toavina miaramila ireto nataon’ny zokiny teny Ambohitsirohitra ireto » hoy izy ireo maly.
Tena manao politika ry zalahy ireto ary miandany an’i Andry Rajoelina. Fampisaraham-bazana, fanaovana tsinotsinona ny maha miaramila, fanalam-baraka ny foloalindahy ny fandikan-dry zareo ny fihetsika tahaka ireny. Farany « samy afaka miandany amin’ny ankolafy izatsy na zaroa ny miaramila rehefa samy hifanao, ary afaka hitady koloneny sivy lahy ka hamory mpanao gazety koa izahay ».

Minisitra Nöel Rakotonandrasana

Nanamafy ny minisitra Nöel Rakotonandrasana fa « fihetsika tsy ara-dalana ary tsy fanajana ny rafitra an-tanan-tohatra » ireny nataon’i Lyllison de Rolland sy Charles Andrianasoavina ireny ». Efa namoka teny ombieny ombieny ny foloalindahy hoe tokony hahazo halalana hiteny amin’ny lehibeny izay vao manao fanambarana amin’ny haino aman-jery mivantana. « Tokony mendrika azy ireo ny hampiarana ny sazy miaramila ». Tantara mitohy ny an’dry zalahy miaramila

Jly Rasolomahandry

Noraràna tsy mahazo miditra an-toby ireto manamboninahitra am-perinasa ireto fa nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Motel Anosy. Dia Jly Rasolomahandry Edmond,Amiraly Radavidson, manamboninahitra

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
B

Mampalahelo ny raha ny tandroka aron'ny vozona indray no sanatria rambony mpamafa ny tainy. Manamporofo marina tokoa izao fihetsiky ny "MPANOLOTSAINA"izao tena mpikaraman'ady izy ireo sady mpanao
amboletra, de ho hita eo ny sazy omen'iIngahy Colonel Noël; zay tsy azo hinoana velively ny isian'izany sazy izany;avelao hanao fanambara daholo zay te hanao @ farany dia hitranga eo daholo ny
marina rehetra hafenine ao amin'ny miaramila ao.

Répondre