mba matotra e !!
Raha ny olombelona no hazavaina
Dia vatana, loha, fanahy ary saina
Ka ny saina sy loha dia lehibe indrindra
Satria mpitarika sady mpandrindra
Ny loha no misy ny zava-dehibe
Fa tsy fotsiny hoe: fasiana béret
Ao anatiny ao ilay sarobidy
Izay tsy itovizana amin’ny biby
Ka raha io no ratsy na koa poakaty
Dia hitovitovy amin’ny kaposaty
Ka tsisy handeha amin’ny laoniny intsony
Fa ny ambany indray no hibaiko ny ambony
Ka raha ny vodiny no lasa ho lohany
Dia inona izany no mba atidohany? …
Dia vatana, loha, fanahy ary saina
Ka ny saina sy loha dia lehibe indrindra
Satria mpitarika sady mpandrindra
Ny loha no misy ny zava-dehibe
Fa tsy fotsiny hoe: fasiana béret
Ao anatiny ao ilay sarobidy
Izay tsy itovizana amin’ny biby
Ka raha io no ratsy na koa poakaty
Dia hitovitovy amin’ny kaposaty
Ka tsisy handeha amin’ny laoniny intsony
Fa ny ambany indray no hibaiko ny ambony
Ka raha ny vodiny no lasa ho lohany
Dia inona izany no mba atidohany? …
Publicité