Toy ny zaza folo taona
|
Atolotra ho antsika izay maniry ny mba hanomezana lanja bebe kokoa ny teny malagasy eto amin'ny Fijery ity tonon-kalo ity, izay nosoratan'i S. Ravaloson. Mampatsiahy anílay resaka nataon'i Profesera Albert Zafy tany Addis-Abeba, indray alina izay....
Tena lafatra tokoa ity sangan'asa ity, na ny hevitra voafono, na ny fomba nanehoana azy. Am-bava homana, am-po mierotra...
_________________
Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Tsy matotra fa misavoana, mieboebo lava izao;
Te ho lohany hatrany, tsy mahay manetry tena;
Tena latsa-danja ianao amin'ny ara-pahendrena
Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Tsy mba tsara taiza angamba ka manao ny tsy fanao.
Mbola tazana mirintona amin'ny sehatra goavana;
Izany ve no lalan-tokana hanehoanao ny fandavana?
Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Ny mena sofina jereo, manao anao ho kilalao!
Tsofiny toa volom-borona dia iny ianao fa mietaketaka,
Misavoana saingy ho aiza? Vetivety dia hifetaka.
Toy ny zaza folo taona no fijerinay anao,
Te hitroatra saingy indrisy, tena mbola mpanavao.
Ndeha tefeo aloha ny saina dia vokiso ny fanahy;
Afaka roapolo taona, izay ianao vao "lehilahy"
S. RAVALISON
Publicité