chronique de Vanf

Publié le par Ny Marina

Fitia tsy tia hanan-dratsy

Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Soa lavo hahay hamindra, hoy ny fahendren-drazana. Ny antsika eto Madagasikara, lavo tsy tafarina ny mpitondra nifandimby ka tsy nanam-potoana intsony akory hianarana hamindra. Tara loatra mantsy vao tonga saina sy niaiky fahadisoana. Miloloha lanitra ka tsy maintsy ho lena, mandia tany tsy maintsy ho solafaka : tsy izany loatra no mitranga fa izay rehetra tonga eo amin’ny fitondrana dia mihevi-tena ho andriamanitra latsaka an-tany hatrany hatrany, tsy manaiky diso, tsy hita anarina, tsy hay atoro.

Ny tena olana teto, raha tsy hiresaka afa-tsy izay fito taona farany nitondran-dRavalomanana izay, dia ny faharetan’ny Gasy amin’ny tsy rariny. Raha vao niborioka kely fotsiny no nanarina, angamba tsy ho nanao lalan-kita kisoa izao lalam-poza rehetra izao. Fa efa amoron-tevana hatrany vao mijanona tampoka. Indraindray aza moa efa latsaka an-kady mihitsy vao miantso vonjeo.

Na iza na iza tonga manaraka eo amin’ny fitondrana dia tokony hisaintsaina izay nanjo ny Raikalahy taloha foana. Tsy misy fahagagana fa ny atao no tsy maintsy miverina. Raha tokam-po tsy manaiky tsikera, tsy hita anarina, tsy hay atoro, tsy maintsy mahasorena ny olona, na ho ela na ho haingana. Hita izany tamin’ny nahazo an’i Tsiranana. Dia mbola nidiran-dRatsiraka. Dia nahavoa an’i Zafy. Dia narahin-dRavalomanana tahaka. Sanatria indray, ankehitriny, ry zareo HAT hikiry amin’ny hadalan’ny teo alohany.

Ny tsy mahavanona eto Madagasikara ny demokrasia, araka izay endriny itsiriritantsika azy any amin’ny firenena tandrefana, tsy dia ny fihoaram-pefy loatra fa indrindra indrindra ny tsy fisian’ny aro fanina. Malemy raolombelona ka tsy maintsy alaim-panahy hanandrakandrana ny voankazo voarara. Fepetra tsotra maha olombelona iny. Ny tokony imasoana dia ny andrimaso sy ny sazy. Zaro amin’ny tokony aleha dieny mbola kely ny ankizy. Hafatrafarana tsara fa tsy misy zo raha tsy tambin’ andraikitra. Bedesina avy hatrany raha vao manao kitoatoa.

Mampihomehy mahonena ireto solombavambahoaka TIM izay nikasa hiditra ny Antenimiera, tamin’ity herinandro ity. Nahita tampoka izany demokrasia izany. Fa tsy izao efa lositra izao Ravalomanana vao sahisahy na mahatsiaro manana hazon-damosina fa tokony hatramin’izay nanaovany ampihi-mamba ny politika sy toe-karena izay no tokony nitsangana. Mampanahy indray kosa ity Tetezamita tsy misy mpanara-maso ity. Inona no fifandraisan’ny Governemanta sy ny HAT amin’izao rafitra ankehitriny izao ? Aro-fanina ve ny HAT sa mpanaran-drian-drano ?

Aoka izay. Aoka mba tsy ho efa alohalika foana ny ranom-bary vao samy taitra. Tsy tenim-pahavalo izany fa fitia tsy te hanan-dratsy. Raha tsy nitsitsiana rotsa-kazo tokoa mantsy ilay Ravalomanana iny, fony mbola fotoanan’izany, tamin’izy mbola tsy za-dratsy, tsy latsaka an-katerena toy izao ny firenena. Taiza tokoa lehiroa ka tsy foy. Saingy raha manaikitra ny nono, ahifika.

 

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
E
<br /> I have been visiting various blogs for my essay writing research. I have found your blog to be quite useful. Keep updating your blog with valuable information... Regards<br /> <br /> <br />
Répondre