Roa taona

Publié le par Ny Marina

Aujourd'hui, le "lundi noir" aura deux ans : fut-ce le premier Tsena mora ? J'invite ceux qui souhaitent se replonger dans mes commentaires sur cet évènement à relire l'édito publié en 2010 à ce sujet. Mais je vous invite surtout à prêter attention à la superbe plume de Antso, dont le talent aujourd'hui rencontre l'Histoire. Nous partageons avec fierté cette oeuvre, qui se place dans la lignée des grands poèmes socio-politiques tels Toy ny zaza folo taona, écrit par S. Ravaloson après le sommet de Maputo 1, ou le fameux Rajakom-bazaha de Jean Narivony.
 
Bonne lecture
 
Ndimby
 
==========
Roa taona
 
Roa taona sahady
Roa taona be izao
No nihoatra vavahady
Sy nila rahoraho
Ireto andian’olona
Nilaza ho mpitolona
 
Nodorana avokoa
Ireto harem-be
Tsy manam-paharoa
Na radio na télé
Dia faly sy nibitaka
Nandrindra izato fitaka
 
Ny magazay kosa
Norobaina ho famonjena
Ireo  « « vahoaka » osa
Nirangorango mahonena
May, kila tsy tra-bonjy
Maika hitaona ireto monjy
 
Fanafahana hono mantsy
« Aoka izay ny ampihimamba »
Tsy natahotra izy niantsy
Nanaparitaka antsanga
Hay ny tanjony hadalana :
Ny hanongam-panjakana !
 
Roa taona aty aoriana
Manao ahoana ny vahoaka ?
Moa ve azo izay nirina
Asehoy raha misy apoaka !
Sa fanamparam-pahefana
No mba modely Fitondrana ?
 
Dia hitsara ny tantara
Tsy hanadino, hahatsiaro
Aoka izy no hanambara
Ary hametraka sy hiaro
Ny marina ho an’ny Firenena
Hanovozam-pahendrena.
 
Antso
26-01-2011
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article